Hanamafy ny fifaninanana ara-toekarena, hanohanana ny fikarohana sy ny fanavaozana ara-teknolojia ary hanome sehatra ahafahan’ireo mpianatra, mpikaroka sy mpamorona ary orinasa madinika sy salantsalany (PME) ny ivontoerana fanohanana ny teknolojia sy ny fahitana vao (Cati). Kendrena ny hahafahan’ny mpandraharaha mivelatra, ahafahany mikaroka sy manamafy ny fahaiza-manaony. Manana tahirin-kevitra hatrany amin’ny 150 tapitrisa ity ivontoerana ity. Misokatra maimaimpoana ho an’ny rehetra ny ivontoerana manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora hariva. Tanjona ny hanampiana ireo mpisehatra marolafy, hitondrany ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana. Eo koa ny hanomezana lanja ny toekarena sy hanatsarana bebe kokoa ny vokatra sy ny asa. “Nampivelatra ny vokatra ary tena nahitako tombontsoa marobe ny fampiasako ny Cati”, hoy Radilifera Haingotiana, avy amin’ny Mirary Coop, misehatra amin’ny fanodinana sakafo. “Fanombohana io natao teto Antananarivo io fa hisandrahaka manerana ny Nosy ny ivontoerana amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa miaraka amin’ireo Antenimieran’ny varotra sy ny indostria (CCI), ny rafi-pikarohana maro samihafa ary ny rafi-pampianarana”, hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina, Rasoarahona Andriniaina.
Henintsoa




