Orinasa Cnapmad : Misy disadisa ny mpitantana sy ny mpiasa

140 ny mpiasa mampihodina ny Cnapmad, foibe mpamokatra fitaovam-pianarana sy boky enti-mampianatra, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Misy ny disadisa momba ny fitantanana eo anivon’ity foibe ity mahakasika ny mpiasa sasany sy ny tale jeneraly. Nambaran’ny mpitondra tenin’ny mpiasa, Rafilahy Rodin, fa misy ny antsojay mihatra amin’izy ireo. Sady manao tsinontsinona no manambany azy ireo ity mpitantana ity raha nangataka fihaonana ny mpiasa. Misy koa ireo nahazo fangataham-panazavana avy amin’ny tale jeneraly tamin’ity herinandro ity. Noho izany, mangataka ny fanesorana ity tomponandraikitra voalohany ao amin’ny Cnapmad ity ny mpiasa, araka ny fampitam-baovao nataon’izy ireo omaly, teny Ankorondrano, niaraka tamin’ny filanjana sorabaventy.
Nanambara kosa ny tale jeneraly, Ranosy Eliane, fa olona 10 mamboly olana sy korontana ireo nanao fitakiana ireo. Mpiasa tsy tonga miasa nandritra ny volana maromaro ny ankamaroany ary nangatahana fanazavana momba io toe-javatra io ka izay no ambara fa fanaovana tsinontsinona azy. Efa niarina tao anatin’ny roa taona nitantanany ny Cnapmad ary mahaloa ny karaman’ny mpiasa rehetra hatramin’izao.

Vonjy

Partager sur: