Rugby “XXL Top 12” : Hafana ny fifanandrinan’ny CEA sy ny TFMA

Adin’ny samy kartie indray ny hamarana ny lalao etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, rahampitso. Hifandona amin’izany ny CEA Andranomanalina sy ny TFMA Ankasina.

Hotanterahina rahampi­tso, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapena­ka, ny andro fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­si­ka­ra, taranja Rugby, “XXL Top 12”.
Anisan’ny fifanandrinana tena andrasan’ny maro ny fi­hao­nana eo amin’ny CEA Andra­­nomanalina sy ny TFMA Anka­si­na na ny boaikely manohitra.
Lalao azo heverina ho toy ny famaranana ihany izy ity satria samy manana ny lazany eo amin’ny tontolon’ny Rugby, na ny TFMA na ny CEA. Mi­eza­ka mametraka ny anarany ao amin’ny “Top 12” ny CEA. Hatreto, tsy mbola nisy klioba nandresy azy, nandritra ny fi­haonana rehetra vitany. Tanjon’ ity ekipa vao niakatra anivon’
ny divizionina voalohany ity ny handrombaka ny anaram-boninahitr’i Madagasikara, ary mipetraka eo amin’ny laharana faharoa izy ireo, raha mihazona ny lohany ny Cosfa miaramila. Any amin’ny fahenina kosa ny boaikely manohitra.
Etsy ankilany, nilaza ny hi­ezaka mafy handavo ny CEA ny teknisianina anivon’ny TFMA. Ankoatra izay, hiakatra an-ki­an­ja, hifandona amin’ny ekipan’ny Savony STM, ny FTM Manja­ka­ray, tompondaka farany ta­min’ny “XXL Top 12”. Marihina fa hatramin’izao dia tsy mbola mandeha ilay “Super Coupe de Madagas­car” izay hifanandrinan’ny Cosfa, tompon’ny ambo­aran’i Madagasikara sy ny FTM Manjakaray.

Fitia Randria

Ireo fifanandrinana
rehetra rahampitso :
Kianja Makis Andohatapenaka :
Ligin’Analamanga :
9 ora : Fitam Ambodivona vs Tam 67 Ha
“XXL Top 12”:
11 ora : UASC Cheminot vs Uscar Kaominina
1 ora : FTM Manjakaray vs STM Savony
3 ora : CEA Andranomanalina vs TFMA Ankasina

Partager sur: