Tambajotra mpanondrana biby arovana, ahitana Malagasy sy vahiny, voasambotra rehefa nikasa hivoaka an’i Madagasikara, nitondra varika miisa 10.
Tra-tehaka tao ambany rihana an’ny tranobe iray etsy Ambohimiandra ireo varika miisa 10 nafenina sy nomanina haondrana an-tsokosoko any Dubaï. Sarona taorian’ny fisavana ny trano sy ny vela-pandrika natao ny kaomorianina miisa telo ka isan’izany ny lohan’ny tambajotra mpanondrana varika iray efa nokarohina volana vitsy lasa. Izy ireo izay voasaringotra tamin’ny fikasana hanondrana varika indroa miantaona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny volana jona sy aogosotra teo. Tratra tao anatin’izay ny Malagasy sy kaomorianina ary okrainiana. Nikasa hiondrana ho any Dubaï ihany koa izy ireo tamin’izay.
Kolikoly goavana
Paikady fataon’ity tambajotra mpanondrana biby arovana ity ny manangona varika ka ikaramana malagasy sy vahiny hitondra ireo biby ireo hivoaka an’i Madagasikara. Porofo izao fa mitady hirongatra ny fikasana hanondrana harem-pirenena ka anentanana ny rehetra hampita vaovao eny anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy raha misy tranga mampiahiahy. Azo atao koa ny mampandre ny mpitandro filaminana izay miara-miasa akaiky amin’ny minisitera amin’ny ady amin’ny fitrandrahana an-tsokosoko ny harena voajanahary. Eo koa ny laharana maitso 955. Marihina fa manao famotsiam-bola ao anatin’ny fanondranana an-tsokosoko ny biby arovana eto Madagasikara ity tambajotra ity, araka ny fanadihadiana nataon’ny sampam-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) izay nitarika ny fanadihadiana ara-pitsarana ny raharaha.
Henintsoa




