Mampametra-panontaniana ny zava-misy eo amin’ity baolina kitra malagasy ity, ankehitriny. Voaozona ve sa misy fanahy ratsy? Milamindamina kely, avy eo hisehoan’olana indray. Tsy voasasa ao an-trano intsony ny lamba maloto fa miharihary imasom-bahoaka. Zava-doza mitranga indray mantsy ny tsy fanatanterahan’ireo mpitsara ny dingana faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondaka nasionaly Diviziona faharoa na D2 national. Tsy mahay mifandefitra ny federasionina sy ireto fikambanan’ny mpitsara baolina nasionaly ireto. Resa- bola hatrany no olana. Aza manao toy ny raty, henjanina tapaka, ketrahina miboraka.
Ekena fa ny vola no hozatry ny fiainana, saingy tsy misy olana tsy vitan’ny fifampiresahana. Mifampiziriziry amin’ny heviny ny an-daniny sy ny an-kilany ka miafara amin’izao fanapahan-kevitra mahamenatr’olona izao. Voadona mafy amin’izao hatrany moa ny ekipa sy ny mpilalao, mandany volabe hiatrehana ny fifaninanana. Toy ny raty ka henjanina tapaka, ketrahina miboraka.
Etsy an-kilany, samy mamoaka vaovao amin’izay mampety azy ny roa tonta. Ny federasionina, manambara fa efa ao ny volan’izy ireo fa miandry fandaminana. Ireto mpitsara indray mitaky hatrany amin’ny fialan’ny filohan’ny federasionina sy ny mpikambana rehetra.
Ny iray tsy lany hambo, ny ilany tsy lany avona. Ny iray tsy lany zara, ny ilany tsy lany tandrify. Aza manao toy ny raty e, ka henjanina tapaka, raha ketrahina miboraka. Etsy an-kilany, toa zary efa zatra olana ny mpijery sy ny mpanohana. Zatra ny patrakala, tsy mba taitry ny tanikorana. Aiza àry ny lalan-kaleha? Samy tsy misy mahalala fa manao toy ny raty ka henjanina tapaka, ketrahina miboraka.
Tompondaka




