Fakan-kevitra : Avela hiteny ny ankizy

« Ho an’ny ankizy tsirairay ny zony rehetra”. Io ny lohahevitra novoizina nandritra ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny ankizy, ny alakamisy teo. Nambaran’ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Raharinirina Sidonie, fa: “eo am-pamaranana ny fandrafetana ny politika nasionalin’ny fiarovana ny ankizy isika amin’izao fotoana. Dingana fiaingana hihainoana ny ankizy, hisitraka ny zony sy ho arovana amin’ny herisetra. Hisy ny hetsika fakan-kevitra tanterahina manarena ny Nosy”.
Hiafara amin’ny fanomanana ny antontan-taratasy hanaovana adisisika izay ho lasa fandraisan’andraikitr’i Mada­gasikara mandritra ny fivorian’ny minisitra maneran-tany faharoa misahana ny fiarovana ny ankizy izany, rah any nambaran’ny minisitra. Hatao any Philippine amin’ny taona hoavy ity fivoriana ity.
Adidy iombonana ny fiarovana ny zon’ny ankizy ary mitaky fandraisan’andraikitra amin’ny rehetra izany. Anisan’izany ny ray aman-dreny, fianakaviana, mpampianatra, mpanabe, mpiara-miombon’antoka, fiarahamonim-pirenena. Zava-dehibe ny fanomezana fitsarana marina sy madio amin’ny ankizy niharan’ny herisetra.

Tatiana A

Partager sur: