Andry iankinan’ny toekarena ny fampandrosoana ny indostria amin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina. Hanara-maso ny fanatanterahana ny fifanarahan’ny roa tonta ny filankevi-pirenena ho an’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara (Cnim).
Fanoitry ny fampandrosoana ny toekarena ny indostria sy ny tontolon’ny fandraharahana. Manome vahana ny fampiasam-bola amin’ireo sehatra fototra izy io, toy ny fanodinana ny voka-pambolena, ny harena an-kibon’ny tany, ny angovo, ny lohamenaka, sns. Antony nametrahana ny filankevi-pirenena ho an’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara (Cnim). Hanaraka ny dingana rehetra ity rafitra ity ka hanara-maso ny fanatanterahana ny fandraisan’andraikitry ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina, araka ny voasoratra ao anatin’ny fandaharanasa maharitry ny indostria (pacte industriel), izay vita sonia ny volana aogositra 2023, taorian’ny fifanakalozan-kevitry ny roa tonta. Ho vaindohan-draharahan’ity filankevi-pirenena ity ny fampandrosoana sy fampiroboroboana ny famokarana eto Madagasikara. Kendrena ao anatin’izany ny hampitombo avo roa heny ny harinkarena faobe (PIB) entin’ny sehatra indostrialy hatramin’ny taona 2040 (15% ho lasa 30%). « Rafitra mpanara-maso ara-teknika sy fitaovana sarobidy ho an’ny fitohizan’ny asa manoloana ny fampandrosoana stratejika ny indostria ny Cnim. Mametraka ny dingana iray lehibe ho amin’ny fampiroboroboana ny indostria maharitra sy mahomby izany », hoy ny filoha mpitantana, Andriamanalina Rivo.
Andraikitra
Hanamafy ny fahaiza-manao sy ny fifaninan’ny indostria malagasy ny Cnim ka hampiroborobo ny famoronana asa mendrika mifanaraka amin’ny filàna eto an-toerana. Noho izany, hamarin-toerana ny tontolon’ny fandraharahana ity rafitra vaovao tohanan’
ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) ity. Andraikiny ihany koa ny mijery ny fampiasam-bola mifanaraka amin’ny filàn’ny firenena.
Henintsoa




