Fandraharahana sy asa : Hovahan’ny minisitera ny olan’ny tanora

Notanterahina teny An­katso, ny asabotsy teo, ny fikaonandoha ho an’ny tanora sy ny tontolon’ny asa. Nika­rakara izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Asa sy ny asam-panjakana miaraka amin’ ny Oniversiten’Antana­narivo.
Nambaran’ny minisitra, Soatiana Florent Bety Leonne, fa maro ireo tanora tsy afaka miditra amin’ny sehatry ny asa, na hisehatra ho amin’ny fandraharahana na koa asa tena. « Fotoana io fikaonandoha io nandraisana ireo soso-kevitra rehetra avy amin’ny tanora. Nihainoana ny olana sy ny hetahetan’ireo tanora, ahafahana mandrafitra sy mamolavola paikady maro azo tanterahina ho azy ireo eo min’ny asa », hoy izy. Nan­teriny fa atao mifandraika amin’izany hetaheta izany ny paikady mba tsy ho diso lalana ireo tanora. Tafiditra amin’ny politikan’ny minisitera ny hananan’ny rehetra asa mendrika rahateo izany.
Na izany aza, maro ireo tanora nametraka ahiahy rehefa tafavoaka amin’ny fianarana ahafahana misehatra amin’ny asa. Ao koa ireo te ho mpandraharaha nefa manana olana eo amin’ny famatsiam-bola na ny hoenti-manana. Misy koa anefa ireo efa mahita lalana saingy mavesatra ireo tataon-ketra samihafa, nefa vao hisehatra amin’ny fandraharana, araka ny nambarany hatrany. « Noraisina avokoa izany ary hiezaka ny minisitera sy ireo sampandraharaha hafa voakasika hanamora ireo olan’ny tanora ireo. Havadika ho fehin-kevitra izany ahafahana mametraka paikady », hoy ihany izy. Tsia­hivina fa nandray anjara tamin’izao fikaonandoha izao ireo tanora avy any amin’ny faritra, tamin’ny alalan’ny ampitain-davitra.

Synèse R.

Partager sur: