Fizarana « Kits solaires »: Iray vina ny Paositra Finances sy ny Mbalik

Vita sonia ny zoma teo ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Paositra Finances sy ny Mbalik hanamorana ny fisitrahan’ny tokantrano sy ny orinasa madinika ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro.

Kendrena ny fampiatiana ara-angovo sy ara-bola amin’ny alalan’ireo vo­katra vaovao mifanaraka amin’ny fahafan’ny mpanjifa tsirairay. «Tanjona ny hampanakaiky ny tolotra ara-bola ho an’ny vahoaka, indrindra ireo lavitry ny renivohitra, antony nahatonga ny fiaraha-miasa amin’ny Mbalik izay mifanandrify amin’ny vina sy ny andraikitra izay manamora ny fidirana amin’ny angovo madio, mana­tsara ny fari-piainan’ny isan-tokantrano ary manampy amin’ny fampandrosoana ny toekarena ifotony », hoy ny tale jerenaly mpisolo toerana an’ny Paositra Finances, Andria­naivo Rojo, teny Ivandry. Araka izany, azo alaina eny amin’ireo masoivohon’ny Paositra Finances miisa 28, miparitaka amina faritra valo, ireo «kits so­laires Mbalik». Hitatitra izany maimaimpoana sy hametraka any amin’ireo mpisitraka kosa ny Mbalik ary mbola manome antoka 2 ka hatramin’ny 3 taona ny fitaovana sy ny fiarovana ny mpampiasa azy.

Vina
Tanjon’ny roa tonta ny ha­naparitaka «kits solaires» mi­isa 850 manerana ny Nosy ao anatin’ny herintaona, izay ha­nomboka amin’ny volana de­sambra izao. Hikendry ny ha­natsarana ny fari-piainan’ny mponina sy hanohanana ny orinasa madinika amin’ny filàna angovo. «Resy lahatra izahay fa ny orinasa tsirairay dia manana andraikitra hitady ny fomba rehetra hanatsarana ny fiaian’ny mpiray tanindrazana, indrindra amin’ny fisitrahana ny angovo sy ny fitandroana ny tontolo iainana», hoy ny tale jeneralin’ny Mbalik, Rama­nan­toanina Satanirina.

Henintsoa

Partager sur: