Herisetra mpahazo ny ankizy: Miantso ny fiaraha-mientan’ ny rehetra ny Asmae

Mijanona ho lohalaharana amin’ny herisetra mpahazo ny ankizy ny tsy fisiana ara-bola eo anivon’ny tokantrano. Ahitana izany avokoa na ny any ambanivohitra na ny an-tanàn-dehibe, saingy mahery kokoa izany aty an-drenivohitra.

Antony nanaovana ny atrikasa hiadina amin’ny herisetra mpahazo ny ankizy, hiantohana ny fiarovana azy ireo, no natao teny amin’ny Motel Anosy, ny 13 no­vambra teo. Hetsika nokarakarain’ny fikambanana masera Emmanuelle (Asmae). Niara­hany tamin’ireo mpiara-miombon’antoka sy tambajotra ho fiaraha-mientana izay tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa “Ankizy” andiany fahatelo (3), ny “Tanora” andiany faharoa (2) ary ny AIM. Tan­jona ny hanamafisana ny fiaraha-mientana sy ny fandraisana andraikitr’ireo mpisehatra marolafy miaro ny zon’ny ankizy sy ny tanora. Nisy, araka izany, ny atrikasa niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka maherin’ny 80, niarahan’izy ireo nifampizara traikefa sy ny fomba fandraisana an-tanana ny tranga ary ny fiaraha-mamolavola vahaolana iombonana hanatsarana ny fomba fandraisana fitarainana.

Tetikasa
«Ny tetikasa Ankizy dia misehatra amin’ny tontolon’ny fanabeazana amin’ny vanim-potoana rehetra na amin’ny hamehana na amin’ny andavanandrom-piainany. Ny fiaraha-miasa tamin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa no nahafahana nampita sy nanaparitaka tamin’ireo matihanina sy vondrona isan-karazany ny fahaiza-manao ka ny vokatra pedagojika no ahafahana manena ny herisetra», hoy ny tomponandraikitry ny Asmae, Andriamiarana Vatosoa. Tan­jona ny hampifanaraka ny foto-kevitra fototra momba ny fiarovana ny ankizy eto Madagasikara sy hamantarana ireo mpisehatra sy ny andraikitra sahaniny avy.
Nohamafisin’ny fikambanana Asmae sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy ny fanoloran-tenany amin’ny fiarovana ny ankizy anatin’ny fanajana ny zon’olombelona.

Henintsoa

Partager sur: