INDRAY MIJERY

Nampahery ireo mana-manjo vokatry ny fihinanana trondro nisy poizina nitranga tao amin’ny faritra Sava, distrikan’i Vohemar, ny minisitry ny Faha­salamam-bahoaka. 5 ireo namoy ny ainy raha 15 ireo nihinana ny trondro. Manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly ny 10 ary mbola avotana ny ainy.

Amin’ny fotoana fahavaratra toy izao dia maro ireo karazana hazandranomasina tsy tokony hohanina. Mihinana lomotra any anaty ranomasina izy ireny ka miteraka poizina ho an’ny olombelona ny fihinanana azy. Mila mampahatsiahy izany ireo tomponandraikitra eny ifotony isorohana ny loza

Nijery ny fitaovana sy ny zava-misy ao amin’ ny hopitaly Befelatanana ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny faran’ny herinandro teo. Tanjona ny hamelona ny soatoavina malagasy mifantoka amin’ny fihavanana sy ny firaisankina. Hotadiavina ny vahaolana fohy ezaka hanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana.

Partager sur: