Mobile banking : Hanara-maso ny olan’ny Mvola ny MNDPT

Mitaky ny mangarahara tanteraka ny amin’izay mety ho anton’ny fikorontanana, mangataka tatitra ara-teknika ampa­hibemaso amin’ny Mvola ka ahitana ny antony mahatonga ny olana, ny fepetra fa­nitsiana sy fanarenana ary ny mba hisorohana ny fiverenan’ny olana. Ireo no fepetra nangatahin’ny minisitry ny Fampi­ro­boroboana ny haitao ara-ka­jy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra, Andria­mampiadana Mahefa, omaly, nandritra ny fitsidihana tampoka nataony teny amin’ny foi­ben’ny Mvola etsy Anko­ron­dra­no. Hentitra ny minisitra ma­noloana ny fikorontanan’ny to­lotra izay mampitaraina ny mpanjifa sy ho fampiharana ny fanavaozana andrasan’ny maro eo amin’ny sehatry ny niomerika. “Hampiharina ny vondrona fanaraha-maso ma­haritra eo anivon’ny minisitera sy ny mpandraharaha mobile money. Hampitomboina ny fe­petra ara-teknika miaro amin’ny fanapahana, ny drafitra fi­tohizana sy ny fanarenana amin’ny loza”, hoy ny minisitra. Tafiditra ao anatin’izay ny fanadihadiana tsy tapaka mom­ba ny fiarovana sy ny fahamarinan-toerana. Atao ireo mba hiantohana ny fana­tsarana maharitra. Hanamafi­sana ireo fepetra napetraka ny hananganana ny rafitra na­sionaly momba ny “Resilience numérique”.

Henintsoa

Partager sur: