Notontosaina tao amin’ny Kianja mitafo Arena Toamasina, ny fifaninanana “Muay Thai Tournament 3”. Ady 30 no nitranga.
Tratra ny tanjona, araka ny nambaran’ny filohan’ny klioba mpikarakara, ny GISL (Grande île sports loisirs), Razanajatovo Carine. Ny fitiavana ny taranja Muay Thai, hoy izy, no tena nandrisika azy ireo hanatanteraka fifaninanana matihanina toy izao. Eo ihany koa ny fampiroboroboana ny taranja. Ny hanatsara ny taranja Muay thai no tanjona ka niampita izay hafatra izay, hoy hatrany ny nambaran’ity filohan’ny GISL ity. Araka ny neritreretina ihany koa ny teo amin’ny lafiny mpijery izay nahitana taratra fa tian’ny olona ilay taranja. Nanamafy izany ny maître Razanajatovo Gildas, Tale teknika nasionaly eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny Muay thai, izay nilaza fa nizotra araka ny tokony ho izy ity andiany fahatelo izay natao tao Toamasina ity. Ady manodidina ny 30 teo no nitranga izay nisy ny manasa-dalana sy ny famaranana. Anisan’ny ady nandrasana ny ady teo amin’i Johary (GISL) sy i Sitrama (Big Foot), sokajy latsaky ny 44 kg. Nivoaka ho mpandresy, tamin’izany, i Johary izay nilaza fa efa nanomboka tamin’ny “Muay Thai Tournament 2” izy no nanomana ity ady ity ary nanampy betsaka azy ny mpanazatrany, ka antoka nahazoany izao fandresena izao. Teo amin’ny vehivavy kosa, niakatra ringy voalohany i Cathy (Black Tiger’s) sy i Sandra (Phoenix), teo amin’ny sokajy latsaky ny 48 kg. Azon’i Cathy ny fandresena tamin’izany. Taorian’izay nifampitàna indray i Voary (Black Tiger’s) sy i Manou (GISL), anisan’ny tena niady ihany koa. Tsiahivina fa nampivondrona ny mpikatroka Muay Thai manerana ny Nosy ity andiany fahatelo amin’ny Muay Thai Tournament ity satria nisy marobe ireo avy any Ambositra, Antsirabe, Antananarivo Ary Toamasina sy ny faritra hafa nandray anjara tamin’izany. Eto Antananarivo kosa no hanatanterahana ny famaranana lehibe amin’ity fifaninanana “Muay Thai Tournament” ity, izay hatao ny 21 desambra izao. Hisy ny fanomezana goavana sy mari-pankasitrahana maro amin’io famaranana lehibe io. Hisy ihany koa ny “Trophée de choc” izay karakarain’ny GISL ihany amin’ny taona hoavy.
Mi.Raz
Ampahany tamin’ny vokatra
-40kg: i Sedera (Ambositra) nandresy an’i Dylan (Toamasina)
-44kg: i Johary (GISL) nandresy an’i Sitrama (Big Foot)
-63kg: i Patrick (Black Tiger’s) nandresy an’i Angelo (COSPN)
-48 kg: i Cathy (Black Tiger’s) nandresy an’ i Sandra (Phoenix)
-51kg: i Manoa (GISL) nandresy an’i Voary (Black Tiger’s)
-63kg: i Olga (MTA) nandresy an’i Patty (Prestige).




