Tsy an-kiato ireo hetsika samihafa tanterahin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, amin’ny alalan’ny minisitra, Raharinirina Sidonie. Anisan’izany ny fampiofanana ny vehivavy sy ny zatovovavy ho an’ny tao Ambohimahasoa, ny herinandro teo. Nifampizaran’izy ireo niaraka tamin’ny solontenan’ny minisitera sy ireo tomponandraikitra isan’ambaratonga ny fandraisan’ny vehivavy anjara amin’ ny fampandrosoana ny faritra misy azy. Ireo tolotra momba ny fananan-tany sy ny fanajariana ny tany. « Maro ny olana manodidina izany », hoy izy ireo. Eo koa ny fizakan-tena ara-piharian’ireo vehivavy. Ny fanabeazana ny ray aman-dreny hahafahan’ny zaza hisitraka ny zony ary koa ny fampiroboroboana ny fambolena sy ny fanatsarana ny fiompiana. Manampy ireo ny fahaiza-mitantana.
Etsy andaniny, samy nanatanteraka hetsika momba ny zon’ireo zokiolona koa ny isam-paritra. Anisan’izany ny tokony hihainoana ny feon’izy ireo sy ny hamahana ny olany. Niara-dalana tamin’ izany ny nijoroan’ny solontena maharitry ny Firaisamben’ny zokiolona eto Madagasikara, ho an’ny ao Ambohimahasoa. Nomarihina tetsy St Michel Amparibe kosa ny faha-20 taona nijoroan’ny fikambanan’ny zokiolona. Tamin’ny alalan’ny talentan’ireo zokiolona sy ireo taranaka namelan-kafatra no nanatontosana izany. Nanehoana ny firaisankina sy ny fanentanana ireo fikambanana manerana ny faritra 24.
Synèse R.




