Lehilahy roa sy vehivavy iray niara-voasambotry ny zandarimaria tao Manjakandriana sy Ambatolampy rehefa nahatrarana rongony, afakomaly. Tratra tamin’ny toerana telo samihafa izy ireo raha toa ka mpiara-miasa ny roa. Nitondra entana niala avy any Andilamena hihazo an’Antananarivo Renivohitra ny lehilahy iray. Nanao fisavana tampoka ny zandary teny anivon’ny lalam-pirenena faharoa rehefa tonga teo Manjakandriana. Sarona tao amin’ny entan’io lehilahy io ny rongony nilanja 25 kg. Nataony tsara fono toy ny entana rehetra ilay zava-mahadomelina kanefa nampiahiahy ny mpitandro filaminana. Notanana avy hatrany io lehilahy tompon’ny entana io. Nogiazana ny rongony. Nosamborina koa ny vehivavy iray hafa efa niandry ny entana teny amin’ ny fiantsonan’ny taksiborosy teny Vassacos. Voatondro ho tompon’ny entana ity ramatoa ity. Nentina natao famotorana izy roa ireo.
Ankoatra izay, lehilahy iray notanan’ny mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Andafiatsimo, kaominina Ambatolampy, ny faran’ny herinandro teo ihany. Nivarotra rongony amin’ny fonosana izy. Nahatratra 9 kg mahery ny rongony tratra tao aminy. Hatolotra ny fampanoavana aorian’ny fanadihadiana ireo olona telo ireo.
Tsiferana R.




