Raim-pianakaviana nahavanon-doza: Maty notsatohany antsy ny zanany roa lahy

Maty novonoin-drainy tamin’ny antsy, ny zanany lahy 12 sy 8 taona tetsy Imerimanjaka, ny sabotsy alina lasa teo. Nikasa hamono tena izy taorian’izay, saingy tsy maty. Niady izy mivady ka tany amin’ireo ankizy no nanamparany ny hatezerany.

Ankizilahy mpiray tampo, 12 sy 8 taona, maty notsatotsatohan’ny dadany niteraka azy tamin’ny antsy, tetsy Imerimanjaka, By Pass, ny 22 novambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora alina, lasa teo. Nahitana tsidron’antsy roa teo amin’ny tratran’ilay ankizi­lahy zokiny. Raha toa ka tsindron’antsy iray teo amin’ny fony ny an’ny zandriny. Nifamaly izy mivady tamin’io fotoana io, ka ireto zanany naterany no na­nam­parany ny hatezerany. Namonjy ireo zaza tany am-pandriana ilay rangahy taorian’ny fifamaliana. Tamin’izany no nanindromany antsy ireo zaza. Notsin­dro­miny tamin’ny antsy ihany koa ny tenany, saingy tsy maty izy. nampandre ilay renim-pianakaviana tany an’efitra hafa mahakasika ny fahafatesan-janany ny tenany taorianan’ny asa ratsiny. Nahita sy naheno izany ny mpiara-monina, ka nikasa hanao fitsaram-bahoaka. Tonga teny an-toerana nisehoan’ny loza ny avy amin’ny polisy miasa eny Tanjombato ka nisambotra ilay nahavanon-doza. Notanana natao andrimaso sy miatrika fanadiha­diana eny amin’ny Brigade criminelle Anosy ny tenany.
Hasarotam-piaro

Raha ny fanazavana voaray, efa nisaraka efa ela izy mivady ireo saingy nifamerina. « Hasa­rotam-piaro ny anton’izao vono olona niniana natao izao », hoy ny vadiny, i Norovelomampita­soa Béatrice, rehefa nanon­taniana. « Nisy client niantso tamin’ny finday aho talohan’io tranga io, heveriny fa sipako izany ka antony nahatezitra azy”, hoy hatrany izy. Voalaza fa mamo ilay raim-pianakaviana tamin’io fotoana io. Ankoatra izay, efa matetika nandrahona hamono ho faty ireo zanany ireo ity nahavanon-doza ity talohan’io, rehefa miady izy mivady, raha ny fanazavana voaray hatrany. Tsy nampoizina anefa ny zava-niseho tamin’io fotoana io fa naka antsy ilay rangahy ary nanatsatoka izany tany amin’ ireo zanany roa lahy efa tapi-mandry. Mpiambina tanàna iray etsy Imerimanjaka etsy ilay raim-pianakaviana nahavanon-doza. Mpahandro sakafo sy mpanadio kosa ny vadiny. Hia­katra fampanoavana anio ny raharaha mahakasika ity vono olona tamin’ny fomba feno ha­bibiana ity.

Mino

Partager sur: