Rugby Club Tanora Soavimasoandro (RCTS) : Hanangana efitrano fatoriana sy fiofanana

Toy ny isan-taona, notanterahina ny sabotsy lasa teo, teny Imamba Soavima­so­andro, ny fankalazana ny An­dron’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny Rugby club tanora Soavimasoandro (RC­TS). No­tsiahivin’­Andrianarisoa Avotra, filohan’ity fileovana ity fa efa miditra amin’ny andiany faha-13 izany amin’izao fotoana. Dingana manaraka ny fananganana efitrano fatoriana sy fiofanana. Tanjona ny hahamora ny fampivondronana ireo ankizy beazina ao. Raha ny zava-bita indray, teo ny nahatsanganana fotodrafitrasa hilalaovana basikety, ho an’ireo kilonga 30 mianadahy.
Raha ny taranja rugby, tena ahalalana ny RCTS, ni­songadina ny vokatra vitan’ny sokajy Senior, vehivavy, izay tompondaka lefitra nandritra ny fifaninanam-pirenena (2024-2025) ary ny toerana fahatelo teo amin’ny fiadiana ny amboara. Tonga teo amin’ ny dingana ampahefa-dalana kosa ny sokajy lehilahy.
Tsiahivina fa misy enina mirahavavy mandrafitra ny Makis Ladies, novolavolain’ny RCTS. Ankoatra izay, efa eo am-pamitana taratasy ara-panjakana ho an’ny kianja, ny tomponandraikitra ankehitriny. Nohamafisin’i Daniel Bessa­guet, mpitantana ankapobeny fa misahana ireo ankizy amin’ ny fianarana sy ny fahasalamana ny ivontoerana, izay tohanan’ireo mpiara-miasa avy any ivelany, toy ny Pacha­mama, ny Rugby French Flair, ary ny masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara.

Fitia Randria

Partager sur: