SOMBIM-BAOVAO

Mandeha ny resaka fa hatao aty Antananarivo ny fihodinanana faharoa ho an’ireo ekipa nifanintsana tany Mahajanga. Araka ny vaovao voaray omaly, efa nanome toky ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra fa hanome ilay vola 43 tapitrisa Ariary ho an’ireo mpitsara. Tsy manaiky ny hitsara ireo mpitsara any Maha­­janga raha tsy voarain’izy ireo io vola io. Manga­taka ihany koa ry zareo ny fialan’ny mpitantana ny mpitsara eto Madagasikara.

Nifarana ny alahady teo, tatsy Kenya, ny fia­diana ny ho tompondakan’i Afrika, amin’ny taranja bisikileta. Nandray anjara nisolo tena an’i Madagasikara, i Mohamed Houlder Amédé, mpilalaon’ny COSPN. Tsy afaka niatrika ny « course à la montre » moa ny tenany noho ny olana ara-teknika ary solafaka teny am-pandehanana kosa izy nandritra ny fifanintsanana « Course en ligne ». Raha ny fanazavana, vaky ny kodiaran’ilay bisikiletany ka tsy afaka nanohy ny lalao intsony ny tenany.

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo ny fifanintsanana amin’ny hazakazaka fiarakodia, « Rallye Asacm ». Nahazo ny laharana voalohany tamin’izany i Tahina sy Rojo Ruben, saingy voahosotra ho tompon­daka nasionaly kosa Andrianjafy Mathieu na i Zaza maditra. Marihina fa inenina amin’ity izay ny tenany no nandrombaka izany amboara izany.

Partager sur: