Taom-piotazana letisia : Maherin’ny 100 000 taonina ny vokatra

Mitobaka! Tsara ny vokatra letisia tamin’ity taona ity. Ma­herin’ny 100 000 taonina (t) ny vokatra manerana ny Nosy, manodidina ny 20 000 t kosa ny vokatra aondran’i Madaga­sikara any ivelany. Miisa telo ny sambo mpitatitra ny letisia ho any ivelany ho an’ity taom-piotazana 2025, ny roa avy any Eoropa, raha avy any Rosia ny iray. Ma­rihina fa niantsona ao Toa­masina nanomboka omaly, ny sambo faharoa CS Trust, hitondra ny vokatra ho an’i Eoropa raha toa ka nitodi-doha ho an’i Eoropa ny ala­hady hariva teo ny sambo voalohany, Atlantic Kipper izay nitondra ireo letisia voalohany aondrana ho amin’ity taona 2025 ity. Dingana lehibe amin’ ny fampandehanana ny se­ha-pamokarana ny firosoana amin’ ny fanondranana noho izy mam­pidi-bola betsaka eo amin’ny firenena, mampiakatra ny toekarena ary mamorona asa mivantana ho an’ireo mpise­hatra samihafa. Ankoa­tra izay, afapo ny tantsaha tamin’ity taom-piotazana ity, nitombo ny vokatra, tsara ny kalitao ary niakatra ihany koa ny vidiny satria lasa 2 150Ar ny kilao raha toa ka 1 700Ar izany ta­min’ny taon-dasa. Manamafy ny fiaraha-miasan’ny fanja­kana sy ny sehatra tsy mian­kina ny fotoana toy izao handrindrana ny fitaterana sy hiarovana ny lalam-pitaterana ary ny fanarahana ny fenitra rehetra anatin’ny rojom-pamokarana.

Toekarena

Mandray anjara betsaka amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny letisia noho isika mpamokatra fahadimy maneran-tany, voalohany aty amin’ ny Ilabolantany atsimo ary mpamatsy voalohany ny Von­drona eoropeanina. Miandra­ikitra ny fandefasana ireo vokatra ny orinasa Société de manutention des marchandises conventionnelles (SMMC). Na izany, misy amin’ireo mpamokatra sahady no efa nanary ny letisia noho izy tsy noraisina mpandraharaha. Misy ny fenitra tokony harahina amin’ ny fanondranana ary azo avadika zavatra hafa izany raha toa ka tsy mamaly ny fepetra takin’ny tsena iraisam-pire­nena.

Henintsoa

Partager sur: