Vinavinaina hiakatra 12,4% ny tahan’ny tsindrin-ketra tsy afakaratsaka (taux de pression fiscale brute) ho an’ny taona 2026, araka ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola (PLFI). Tombanana ho lasa 5 026 miliara Ar ny fidiram-bolan’ny fadintseranana ho an’io taona hoavy io hanatsarana sy hanarenana ary hanavaozana ny toekarena.
Ny 73,42% ny fampidiran-ketra anatiny dia avy amin’ny haba amin’ ny tataom-bidy (TVA), ny hetra alaina amin’ny vola miditra (impôt sur les revenus) ary ny hetra tsy mivantana alaina amin’ny fandaniana (droit d’accises). Mitsinjara ho 15,46% ny hetra tsy mivantana alaina amin’ny fandaniana, 27,10% ny hetra alaina amin’ny vola miditra. 30,86% no haba amin’ny tataom-bidy raha azo avy amin’ny entana hafa ny 26,58% ny hetra, araka ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola (PLFI) 2026. Miisa efatra ny lalantsaina nentina nandrafetana ireo fepetra mahakasika ny hetra ireo dia ny fanetsehana misimisy kokoa ny fampidiram-bola ara-ketra anatiny, ny fanamafisana ny fitantanana mangarahara ary koa ny fandrindrana ireo fitsipika ara-ketra ka voalohany amin’izany ny ady amin’ ny kolikoly, raha ny fanazavana. Tsindrina manokana ao anatin’ny lalantsaina mahakasika ny hetra ny fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Eo koa ny ady amin’ny hosoka ara-ketra amin’ ny alalan’ny fanohizana ny paikady fampiasana ny teknolojia niomerika. Toy ny fampiasana ny « Système d’administration fiscale intégré » (Safi) sy ny faktiora elektronika.
Haba
Vinavinaina ho lasa 5 026 miliara Ar ny fidiram-bolan’ny fadintseranana ho an’ny taona 2026, izay mandray anjara amin’ny fampiroboroboana ny harinkarena faobe. Ity frany izay vinavinaina ho maherin’ny 4,8%. Entina hanatanterahana izany ny vinavina amin’ny fanafarana entana vokatry ny fitohizan’ny tetikasa fanamboarana indostria. Handray anjara ao anatin’izany ny fiovan’ny vidin’ny solika eo amin’ ny tsena iraisam-pirenena, ny fandrindrana ny fandaniana ara-ketra sy ny fanatanterahana fepetra vaovao amin’ny tahan-ketra, izay tombanana ho 186,22 miliara Ar ny fiantraikany. Voalaza ao anatin’ny PLFI fa hisy ny fanangonana hetra amin’ny fanafarana entana ataon’ny fanjakana, manodidina ny 150 miliara Ar. Ao anatin’izay ny fanangonana ny hetra fanampiny amin’ny fadintseranana, manodidina ny 22,9 miliara Ar, ny fanangonana ny anjara raisin’ny fadintseranana amin’ny saram-pitrandrahana harena an-kibon’ny tany, ny fanatsarana ny fitantanana ny asa famindran-toeranan’ny entana (transit).
Ankoatra izay, « mangataka ny hanafoanana ny hetra manodidina ny 287 miliara Ar ny orinasam-pifandraisandavitra ho tambin’ny fampidinana ny vidin’ny Internet eto Madagasikara », hoy ny solontenan’ny governemanta, raha nivahiny tao amin’ny fahitalavi-pirenena, izy ireo omaly. « Tsy ny fanjakana malagasy no manakana ny fampidinana ny vidina internet fa vondron’ny opérateur », hoy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Gascar Fenosoa.
Henintsoa




