Tsy hita popoka nanomboka afakomaly Rotsiniaina Faravolatina Fifaliana, tovovavy 16 taona. Avy any Ankadinondry izy ary niakatra teto Antananarivo, nikasa ho eny Ankazomanga. Tonga teny Anosizato, omaly tamin’ny 10 ora maraina, mbola nahavita niantso tamin’ny taxi-phone ary nisy nahita ihany koa ny nijoroany teo. Saingy izao tsy hita popoka izao.
Tanora telo marary mafy tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo any Toamasina. Niara-nisotrosotro toaka tany amin’ny toeram-pisotroana iray izy ireo, ny herinandro lasa teo. Telo andro taty aoriana, samy nahitana fivontosana ny tongony, ny tarehiny, midobodoboka be ny fo, mandoa, manao krizy, marary ny vavony, ny kibo. Notsaboina any amin’ny hopitaly Be Toamasina ny iray izay tena voa mafy, raha mbola manaraka fitsaboana any an-trano ny roa ambiny.
Lehilahy iray niaraka tamin’ny rongony saron’ny polisim-pirenena miasa ao amin’ny kaomisaria foibe, ny 22 oktobra 2025 lasa teo. Nifanehitra tamin’ny polisy nanao fisafoana izy io tokony ho tamin’ny 11 ora sy 05 minitra. Tsikaritra hafahafa ny fihetsiny ka nosavaina. Hita tamin’izany ireo fonosana rongony ireo. Nosamborina sy natolotra ny sampandraharahan’ny SUT ny tenany taorian’izay.
Tafaverin’ny polisy eny Ilanivato tamin’ny tompony ny moto be iray, mitentina 30 tapitrisa Ariary, nisy nangalatra. Nametraka fitoriana ny tompony, ny 12 novambra 2025 teo, rehefa tsy nahita izany. Napetrany tao amin’ny garazy iray tao Anjanahary izy io, nandritra ny fipetrahany tany amin’ ny Nosy Maorisy. Tsy tao intsony ilay moto rehefa tafaverina teto an-tanindrazana ny tenany. Hita tany amin’ny lehilahy iray teny Lohanosy Ambohijanaka ilay moto, izay efa niova loko. Nosamborina ity farany ary efa miatrika fanadihadiana.




