Karohina ireo mpitrandraka nivadi-pitokisana ka namono nahafaty zandary tao amin’ny fokontany Ambodiaviavy, kaominina Andranomavo, distrikan’i Mananjary, afakomaly. Maty vokatry ny daroka nahazo azy ny mpitandro filaminana roa niambina tao amin’io karieram-bolamena an’ny orinasa sinoa ao an-toerana io. “Tsy fanafihana avy any ivelany fa mpiasa ao anatin’ny toeram-pitrandrahana ihany no nisy nivadi-pitokisana”, hoy ny fanazavana voaray avy eo anivon’ny zandary kaomandin’ny Vondron-tobim-paritra ao Mananjary. Niaraka namono ny zandary roa lahy izay mpiambina tao amin’ny toeram-pitrandrahana ireo mpiasa nivadika ireo. “Tampoka ny nanaovan’izy ireo ny famonoana, araka ny angom-baovao voaraiko. Novelesina tamin’ny zavatra izay mbola tsy voafaritra mazava ireo mpiambina ireo araka ny fitiliana nataon’ny mpitsabo”, hoy hatrany ny fanampim-panazavana. Lavo teo ambony fandriana ny iray tamin’ireo zandary lasibatra. Fanamafisana ny fandriampahalemana izay anatin’ny asa maha mpitandro filaminana no nataon’ireo zandary ireo, araka ny fanazavan’ny lehibeny. Anatin’ny fanadihadiana tanteraka sy mikaroka ireo nahavanon-doza izy ireo amin’izao fotoana. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana. Nentina niakatra ao an-tampon-tanàna an’i Mananjary ny nofo mangatsiakan’ireo zandary roa lahy lavo. Naneho ny fiombonany alahelo amin’ny fianakavian’ny zandary lavo am-perinasa ny kaomandin’ny Vondron-tobim-paritry ny zandarimaria miasa ao an-toerana.
Tsiferana R.




