Notanana vonjimaika any am-ponja, omaly, ny jiolahy mpanao asa ratsy voasambotry ny mpitandro filaminana teny Antohomadinika. Nanao asa ratsy tao amina tokantrano iray ity olon-dratsy ity, ny herinandro lasa teo. Noraofiny, nandritra izany, ny entana sarobidy maromaro ka nanao fampahafantarana tamin’ny tambajotran-tserasera ny lasibatra. Voarakitra tao anaty horonantsary rahateo ny endrik’io lehilahy
namaky trano io. Nanoloana ny tranga, naharay antso avy amin’ny tsara sitrapo ny mpitandro filaminana miasa eo anivon’ny PA Antaniavo. Nisy nahatsikaritra nihaodihaody tsy lavitry ny lalamby tao Antohomadinika ilay lehilahy karohina. Nidina ifotony nanamarina ny zava-nisy avy hatrany ny mpitandro filaminana. Nosamborina ity farany rehefa voamarina tamin’ny alalan’ny sary azo tamin’ny horonantsary. Nentina natao famotorana teny anivon’ny biraon’ny polisy izy. Notanana natao andrimaso ary natolotra ny fampanoavana taorian’izay. Miandry ny fotoam-pitsarana azy eny am-ponja ity farany.
Tsiferana R.




