Efa manomboka mahoraka sy malaza ao Toamasina sy anaty tambajotran-tserasera ny lalao baolina kitra “Grand match de défi”, hotanterahina ao amin’ny Kianja Barikadimy, ny 28 desambra ho avy izao. Fihaonana hifanandrinan’ireo mpilalao milaravinahitra any ivelany sy ny Barea Chan amin’ny ekipan’ny Disciples FC Vakinankaratra. Nilaza ny mpikarakara, Patricio, fa hisy ny amboara lehibe hatolotra ho an’ny ekipa mpandresy amin’ity hetsika goavana ity.
Araka ny fanadihadiana natao omaly, ho avy amin’io lalao ara-pirahalahiana io ireo avy atsy La Réunion, ry Tsiry Kely, Rojo Be, Berajo, Théodin, Jimmy Simouri, Nicolas, Thamon, Nina, Fabrice, Tojo Nirina, Bourahim. Miampy an-dry Amda Joanitto, Thino, Ziad, mpilaravinahitra atsy France, sy ry Maxence sy Mickael, avy any Suisse.
Raha ny filazany tao anaty tambajotran-tserasera, afakomaly, ho avy hanatevina ireo mpilalao koa i Toldo, mpiandry haraton’ny Barea Chan farany teo.
Tsara ny mampahafantatra fa manana mpilalao sangany efa nandalo Barea ihany koa ny Disciples FC. Anisan’ izany ry Donga, Tendry, Dahery, Claude, Andy, Bono, Tantely.
Marihina fa nataon’ny Disciples hanomanana ny taom-pilalaovana vaovao amin’ity io lalao fitsapana io.
Fitia Randria




