CUA : Ny hetra miditra no hanaovana ny asa

Nanomboka ny zoma lasa teo no efa nitokona tsy niasa ireo mpandraoka fako sy mpamily ny fiarabe mpitaona fako eto Antananarivo, ao anatin’ny Sociéte municipale d’assainissement (SMA). Efa niresaka tamin’ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala, ny solontenan’izy ireo ny alatsinainy lasa teo, teny Analakely. Momba ny fisondrotana karama izay nangatahin’ny mpiasa, nohazavaina tamin’izy ireo fa miankina betsaka amin’ny fandoavan’ny olona ny hetra amin’ny alalan’ny RoM sy ny Eaux usées no ahafahana manome ny ka­rama. Tsy manana fanampiana avy amin’ny fanjakana rahateo ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Noho izany, ny vola miditra ihany no hanatanterahana ny asa rehetra.
“Soso-kevitra ho an’ny mpiasan’ny kaominina manodidina ny 5 000 sy ny mpiasan’ny SMA ny fanentanana ny mponina hanefa ny adidiny fa ny vola miditra amin’ny kaominina ihany no hahazoana mampihodina ny asa rehetra”, hoy ny ben’ny Tanàna. Hanatanteraka fanentanana goavana izy ireo mialoha ny 15 desambra ho avy izao. Ho fitantanana ny tanànan’ Antananarivo amin’ny ankatoky ny fety kosa, misy laminasa atao miaraka amin’ny mpitandro filaminana sy ny mpandrindra ny fifamoivoizana hisorohana ny hoe tsy ho azo handehanana intsony eto mandritra ny volana desambra. Tonga eto daholo ny olona avy any amin’ny faritra miantsena ankoatra ny mponina mivelona eto ka ilaina ny fandrindrana.

Vonjy

Partager sur: