INDRAY MIJERY

Hankalaza ny faha-100 taona nijoroany ny valan-javaboahary Tsimbazaza (PBZT), iray amin’ireo ivontoeram-pikarohana eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Ho fanomanana izany, mitohy ny asa ataon’ireo komitin’ny fanarenana, ahitana minisitera maromaro, ny Fanabeazam-pirenena, ny Serasera sy ny kolontsaina, ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Nijery ny zava-misy tao an-toerana ny minisitry ny Fampianarana ambony, ny fiandohan’ny herinandro teo.

Nanomboka omaly ka hatramin’ny 10 desambra ho avy izao ny 16 andro iadiana amin’ny herisetra. Lohahevitra nasionaly ho an’ity taona ity ny hoe “Fiara­hamonina mampiaty, mifanaja, tsy misy herisetra”. Samy manao hetsika mifandraika amin’izay ny fikambanana samihafa ary anisany mandray anjara ny minisiteran’ny Fampianaran ambony, araka ny fampitam-baovao tao amin’ny pejiny.

Tonga hatrany amin’ny hopitaly mihitsy ny mpangalatra ka voatery manao andrimaso ny mpiandry marary amin’ny alina, isaky ny efitrano. Ireo fanafody sy ny entana azo avadika ho vola mipetraka eny ambony latabatra no alain’izy ireo raha sendra variana ny mpikarakara marary.

Partager sur: