Aroso eny amin’ny Antenimierandoholona, anio, ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola (PLFI) 2026 izay lany teny amin’ny Antenimierampirenena omaly. Izy ireo indray no hidinika ny fanovana napetraka.
Hatolotra ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny PLFI raha toa ka tsy misy ny fanovana entin’ny Antenimierandoholona. Hivoaka aorian’izay ny didim-panjakana ho fampiharana izay voalaza sy nasiam-panovana. Hiverina eny anivon’ ny Antenimierampirenena kosa ny PLFI raha toa ka misy fanovana apetraky ny Antenimierandoholona. Tsiahivina fa lany nasiam-panitsiana ary nasiam-panovana tamin’ny ampahany, tamin’ny tsangan-tanana, omaly hariva, ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola 2026 rehefa nodinihina nandritra ny roa andro. Nanatrika ireo solombavambahoaka hatrany ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Dr Ramiarison Herinjatovo sy ireo mpiara-miasa aminy.
Fanitsiana
Maro ny fanovana sy fanitsiana nataon’ny solombavambahoaka tao anatin’ity volavolan-dalàna mifehy ny tetibola ity. Misongadina manokana ny fanafoana ny haba amin’ny tataom-bidy (TVA) amin’ireo sakafom-biby fiompy sy ny provandy noho izy miantoka ny famokarana eto amintsika. Eo ihany koa ny fanovana mahakasika ny hetra sy ny fadintseranana izay entina manatratra ny vina apetraky ny volavolan-dalàna. Nilaza ireo solombavambahoaka fa tokony hampiakarina ny tetibolan’ireo sampandraharaha fototra, toy ny BNGRC, ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Fanabeazam-pirenena, ny Rano, ny Fizahantany, ary ny « Commission malagasy de l’informatique et des libertés » (CMIL TR) ao amin’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika. Tsiahivina fa nitarika ny adihevitry ny PLFI teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny filoha lefitra Tsaradia Marco. Nohainoina teny an-toerana ihany koa ireo nitolona ho an’ny fanovana, nangatahin’ny solombavambahoaka ho hita taratra ao anatin’ny PLFI ny fangatahana nentin’izy ireo.
Henintsoa




