RN7-Fiara tra-doza: Mpianaka niara-namoy ny ainy

Tsy tana ny ain’ny ramatoa iray 64 taona sy ny zaza vao efa-bolana monja taorian’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, distrikan’Ambositra, ny 23 novambra lasa teo. Ni­tondra mpianakavy avy na­mon­jy fahoriana tany amin’ny distrikan’Anjozorobe io fiara io. Nikasa hitodi-doha any Fianarantsoa izay tanàna fo­nenany izy ireo kinanjo tra-doza tampoka. Tafavoaka ny arabe ka latsaka tany ambany tetezana ny fiara. Nifa­mon­­jen’ny nanatri-maso ireo mpan­deha tao anatiny. Tsy nahatsiaro tena taorian’ny loza ilay zaza vao efa-bolana monja sy ny ramatoa iray 64 taona ary ny mpamily ny fiara. Nen­tina avy hatrany nihazo ny toeram-pi­tsaboana izy ireo. Nananosa­rotra ny fahasalaman’io zaza io sy ilay ramatoa ka tsy avotra. Tsy fantatra mazava ny antony nitarika ny loza, hatreto. Anatin’ny fa­naovana famotorana rahateo ny mpitandro filaminana mi­asa ao an-toerana. Ahina ho tratry ny torimaso fotsy ny mpamilin’ny fiara, tamin’io marain’ny alahady 23 no­vambra io.

Tsiferana R.

Partager sur: