Voasambotry ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny kaomisaria foibe Avaradrano, ny lehilahy iray nangalatra kodiarana fiara sy kojakoja samihafa tao Ambohitrarahaba, kaominina Ankadikely Ilafy, ny 22 novambra lasa teo. Nihaodihaody tsy lavitry ny toeram-piantsonan’ny fiara tao an-toerana io olon-dratsy io. Nahatsikaritra fisian-javatra hafahafa ny tompon-trano ka tsy nisalasala niantso polisy. Nigadona teny amin’ny toerana voatondro ny mpitandro filaminana ka niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana ilay lehilahy nampiahiahy. Tratra teo am-pangalarana kodiarana sy kojakoja fampiasa amin’ny fiara ity farany. Nentina nihazo ny kaomisaria izy. Ankoatra io, lehilahy miisa enina tratra teo am-pifohana rongony tao Andobotany, kaominina Sabotsy Namehana, ny 23 novambra teo. Nahitana fonosana rongony teny amin’izy enina mirahalahy.
Tsiferana R.




