Filohan’ny FMA : «Tsy manan-jo haka tapakilan’ny atleta ny federasionina»

Haratsiam-panahin’ireo mitonona ho mpikarakara ve sa fahadisoana tsy nahy avy any La Réunion no tsy nahalasa an-dRalisinirina Marthe, tokony hiatrika ny “Meeting de La Réunion”. Nisy olona tsy fanta-piaviana mantsy tafiditra tao anaty lisitra izay tsy nahazo alalana ka miteraka ny ahiahy.

Niteraka resabe teo anivon’ny tontolon’ny fanatanjahantena sy fanehoan-kevitra isan-karazany tao anaty tambanjotran-tserasera, omaly, ny tsy nahalasa an-dRalisinirina Marthe (Ra­lisy), hiatrika ny “Meeting de La Réunion. Fifaninanana hatao ny sabotsy ho avy izao. Raha tsiahivina ny zava-ni­tranga, efa teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato vao voasakana ny tenany fa tsy ao anaty lisitry ny delegasionina mandeha. Nanambara Ralisy raha nanontaniana fa nahazo fahazoan-dalana “vi­sa” ny tenany, saingy ny tapakilany no tsy manan-kery. Nasaina niantso tany amin’ny kaompaniam-pitaterana Air Austral izy, ka ity farany no nilaza fa tsy olana avy any amin-dry zareo ilay izy. Tetsy ankilany, nivoaka tamin’ny tambanjo­tra-tserasera fa na­lain’ny federasionina malagasy ny tapaki­lany. Tsy nanamafy ary tsy nanamarina izany filazana izany Ralisy, nandritra ny resaka an-tariby natao taminy.
Taorian’izay, nitondra fa­nazavana tamin’ny mpanao gazety, Raherison Dominique, filohan’ny federasionina mala­gasin’ny atletisma (FMA) fa tsy manan-jo haka ny tapakilan’ny atleta na hanafoana izany ny federasionina. Noha­ma­fisiny fa atleta dimy mianadahy izy ireo no nahazo taratasy avy amin’ny federasionina sy ny minisitera ary efa nandefasan’ny mpikarakara tapakila ka anisany Ralisy, izay nangalana “visa”. Tsy misy mpikambana ao anatin’ny federasionina ao anaty lisitra fa filohan’ny ligin’Ihorombe no saika hitarika ny delegasionina saingy tsy nahazo “visa” ka nijanona. Notsindriny manokana fa nisy olona 3 hafa tsy fantatry ny federasionina ny niaviany ary tsy nahazo ala­lana, tao anaty lisitra. Mia­hiahy, araka izany, ny federasionina sao ny fisian’izy ireo no mety nanafoanana ny tapa­kilan-dRalisy.

Tompondaka

Partager sur: