Hanatanteraka drafitrasam-pirenena : Tafajoro ny fikambanana mise­hatra amin’ny fahasalaman’ny saina

Mifameno sy mifampiankina ny fahasalaman’ny vatana sy ny fahasalaman’ny saina eo amin’ny olombelona. Matetika tsy ifantohana loatra ny olana ara-tsaina raha tsy efa lasa lavitra. Misy ny fisorohana azo atao sy ny fikoloana izany.

Tafajoro ny Vovonan’ny fikambanana misehatra amin’ny fahasalaman’ny saina sy ny fitsaboana ny saina (SMSPS), ivondronana fikambanana 13, miaraka amin’ ny Holafitry ny psychiatre, psychologue ary ireo mpia­san’ny fahasalamana mikarakara ny saina manokana. An­draikitra voalohany sahaniny ny famolavolana ny drafitrasam-pirenena ho an’ny fahasalaman’ny saina sy ny epilépsie izay efa nahazo fan­katoavana ary ampiasaina amin’izao fotoana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Vovo­nana, ny profesora Raharivelo Ade­line, neuro-psychiatre, omaly, teny Antaninarenina. Noho ny fahatsapana ny olana maro sedrain’ireo mpisehatra sy ny zava-misy eto Madaga­si­kara momba ny fahasala­man’ny saina no nitarika ny fikambanana sy ireo mpitsabo nanangana ny Vovonana. Vitsy ny manam-pahaizana momba ny fahasalaman’ny saina, izay miasa an-dRenivo­hitra koa ny ankamaroany. 11 ny psychiatre am-perinasa amin’izao fotoana ary dimy no an-dalam-piofanana. 14 ny neurologues ary 63 ny psy­chologues, 46 ny infirmiers miasa ho an’ny fahasalaman’ ny saina, 130 ny mpiasa so­sialy. Hatramin’izay, tsy nanana politika momba ny fahasalaman’ny saina i Mada­gasi­kara ka sarotra ny fandrin­drana ny asa. Vitsy rahateo ny mpanohana ara-bola, ny fanjakana tsy nametraka sora-bola be ho an’ny fahasalamana amin’ny ankapobeny.
Tanjon’ny Vovonana man­o­loana ireo olana maro hita ireo ny hanohana ny hetsika rehetra mifandraika amin’ny fampiroboroboana ny fahasalaman’ny saina eto amintsika. Zava-dehibe koa ny fanamafisana ny fisorohana sy ny fitsaboana ary ny famerenana amin’ny laoniny eny amin’ny fiarahamonina ny olona tra­tran’ny olana ara-tsaina.

Vonjy

Partager sur: