Mikarakara “Bazar de Noël”, andiany faha-63, ny Wednesday Morning Group (WMG). Hatao etsy amin’ny Carlton Anosy, ny sabotsy 29 novambra izao, izany. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ ny Noely sy ny asa soa izay ataon’izy ireo. « Tsy tsena fo tsiny intsony ny Bazar de Noël fa sehatra hamondronana hery ho an’ireo ankizy sy vehivavy marefo », hoy ny filohan’ ny fikambanana, Fiona Tsiranana, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika nataon’ izy ireo tetsy amin’ny Carlton Anosy, omaly. “Noely miray fo”, ny lohahevitry ny hetsika. Tanjona amin’izany ny hahafahana manao fanampiana ara-tsosialy ho an’ny ankizy sy ny vehivavy marefo. Ankoatra izay, entina hanohanana sy hanampiana ireo ankizy maherin’ny 600 eny Ambatomirahavavy sy ireo fokontany manamorona ny lalam-pirenena voalohany ny vola ho azo amin’ity hetsika ity.
Ity « Bazar de Noël » ity no loharanom-bola lehibe anohanan’ny fikambanana ireo tetikasa maharitra sahaniny. Anisan’izany ny atrikasa sy fiofanana mahakasika ny tontolon’ny fanjairana eny Ambatoroka. Eo koa ny fandaharanasa fizarana salaka azo sasana sy ara-pahasalamana ho an’ny ankizivavy mpianatra an-tsekoly.
Ahitana mpandray anjara 73 hivarotra sy hampiranty ny vokany eny an-toerana, amin’ io fotoana io. Ho hita eny ireo karazana asa tanana, sakafo, tontolon’ny mofomafy, sokola, vatomamy, kilalao sy ny maro hafa. Hanaingo sy hampifaly ny ankizy hoavy eny an-toerana ny fisian’i Dadabe Noely. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny mpanohana maro, toy ny Carlton, BNI Madagascar ary ny Masoivohon’i Indonezia, sy ny maro hafa. Manodidina ny 2 500 ireo mpitsidika andrasana.
Mino




