INDRAY MIJERY

Manao antso avo ho an’ny fitondrana ny Sen­dikà iombonan’ny sekoly mampianatra mamily fiara (Secom), momba ny foibe fanaovana fanadinana eto Antananarivo, eo Petite Vitesse. Tsy mendrika handraisana mpianatra hanao fanadinana ny toerana sady misy vahiny manao fanadinana rahateo ao. Mampidi-bola anefa ireo Auto école ho an’ny ATT ka miandry ny tamberina izy ireo. Toy izany koa ny foibe any amin’ny faritra, tokony hatao manara-penitra.

Zava-dehibe ny fahafantarana ny toe-batana manoloana ny VIH/Sida sy ny fiarovan-tena ary fiaro­vana ny hafa. Ny fitiliana irery ihany no ahafantarana na mitondra ny tsimokaretina VIH ny olana iray na tsia. Rehefa nahavita fitiliana ny olona iray, sady miaro ny tenany izy no miaro ny hafa. An-tsitrapo ary maimaimpoana ny fitiliana eny amin’ny tobim-pahasalamana izay voatokana amin’izany.

Noraisin’ny minisitry ny Fampianarana am­bony sy ny fikarohana ara-tsiansa, teny Fiadanana, ny delegasionina avy amin’ny Projet de formation sud-Certificat référent en pédagogie universitaire (PFS-CRPU), notarihin’ny avy amin’ny “Université libre de Bruxelles”, ny Pr Dorothée Baillet, niaraka tamin’ny solontenan’ny Oniversiten’ Antananarivo. Ity tetikasa vaovao ity izay tafiditra anatin’ny tetikasa “Ares CCD” ary mitohy amin’ny “PFS-CPU” izay efa nanofana mpam­pianatra tamin’ny sehatry ny fomba fampianarana eny amin’ny oniversite.

Partager sur: