Namirapiratra indray ny Malagasy mpilomano, ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny fifaninanana “Meeting de l’Océan Indien”, taranja lomano, natao tany La Réunion. Medaly 6 be izao no norombahin’i Koty Sampaniaina Glorio, teo amin’ny sokajy 12 taona. Volamena ny roa tamin’izany, izay azony teo amin’ny 100m nage libre sy teo amin’ny 200 m 4N. Volafotsy roa kosa teo amin’ny 50 m sy 200 m nage libre. Niampy medaly alimo roa teo amin’ny 100 m nage libre sy 50 m Papillon izany. Tsy vao izao i Koty Glorio no namiratra fa tena nahavita ezaka lehibe izy tamin’ity taona 2025 ity. Vao tamin’ny volana septambra teo koa no nandrombahany medaly volamena 4 sy volafotsy 2, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, ho an’ny faritra faha-4, natao tany Manzini, Eswatini. Voahosotra ho mpilomano mendrika indrindra eo amin’ny sokajy misy azy ihany koa i Glorio tamin’ity fifaninanana ity. Mbola azo lazaina ho zaza izy saingy efa tena misongadina tanteraka eo anivon’ny ranomasimbe Indianina sy eto amin’ny sehatra afrikanina. Mila arahina akaiky, araka izany, ity Malagasy mpilomano manana ny maha izy azy ity.
Mi.Raz




