« Mada Best Deals » : Haverina amin’ny laoniny ny endrik’i Madagasikara

Vita sonia ny 21 novambra teo ny fifanarahana firaketana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fizahantany (MTA), ny ONTM, ny Ravinala Airports ary ny Madagascar Airlines. Napetraka ny « Ndao hiarahana mamerina ny endrik’i Madagasikara » (Reim).

Iarahan’ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM) manatanteraka amin’ny mpiara-miombon’antoka maromaro ny hetsika. Hita ao avokoa ny mpisehatra sy ny seha-pihariana samihafa, toy ny olo-malaza vahiny amin’ny tam­bajotra sosialy (influenceurs), ny mpanakanto, ny mpanao fanatanjahantena, … fanta-daza eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tanjona ny hamerenana ny fitokisana sy ny fanamafisana fa toerana tena mahaliana mila tsidihina i Madagasikara, miavaka, azo antoka ary vao misandratra eo amin’ny sehatry ny fizahan­tany iraisam-pirenena. Ampia­saina avokoa ny karazana fampahalalana amin’ny endriny samihafa, toy ny fitsidihan’ ny mpanao gazety sy ny « in­fluenceurs » vahiny, ny « bulk mailing », ny fampiasana ny niomerika, sns.
Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA), ny kaompania Madagascar Airlines, ny Ravinala Airports manatanteraka ny “Mada Best Deals”. Samy mampahafantatra ny mpanjifany azy an’io filamatra io ireo mpisehatra voakasika ireo.

Efa nahazo loka iraisam-pirenena

Nametraka vovonana niomerika vaovao ny Ravinala Airports, ahalalan’ny mpandraharaha ara-pizahantany sy ny mpandeha amin’ny antsipirihany mahakasika ny “Mada Best Deals”. Azo jerena maimaimpoana izany.
Toraka izany koa ny kaom­pania Madagascar Airlines, miara-miasa akaiky amin’ny ONTM. Hita ao avokoa ny karazana tolotra samihafa sy ny tapakila ahitana fihenam-bidy manokana.
Tsiahivina fa vao nahazo ny loka iraisam-pirenena, ho toerana azo tsidihina tsara indrindra aty amin’ny rano­masimbe Indianina, « World Travel Awards », sady voasokajin’ny Expedia ho firenena tena be mpitady indrindra maneran-tany, i Madagas­i­kara.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: