Namoy ny ainy ny iray tamin’ireo olona telo nilatsaham-potaka nandritra ny ora-nikija, tao amin’ny kaominina Ambanivohitra Alatsinainy Bakaro, afakomaly.
Ankizilahy 13 taona namoy ny ainy rehefa nilatsaham-potaka nandritra ny ora-nikija tao amin’ny fokontany Antanambao, kaominina ambanivohitra Alatsinainy Bakaro, distrikan’Andramasina, ny tolakandron’ny talata 25 novambra lasa teo. Tra-doza tampoka ny olona miisa telo mianaka izay tamin’ ny fokontany roa samihafa. Nipoaka ny varatra tao amin’ny tanànan’ Ambolisikina, fokontany Vatosoa, tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Nisy fipoahana fanindroany koa, tao Antapotokana. Raim-pianakaviana iray 56 taona sy ramatoa iray 50 taona ary ankizilahy vao 13 taona ireo niara-lasibatra nandritra ny loza ireo. Nikoropaka ny fokonolona namonjy ireo lasibatra. Tsy nisy nahatsiaro tena avokoa ireo nipoahan’ny varatra. Tsy nahetsika intsony ilay ankizilahy. Nivoa-dra ny sofiny. Notsapain’ireo nanatri-maso izy saingy efa tsy nisy aina intsony.
Notsaboina
Nanao izay ho afany namonjena ireo olona roa anisan’ny voa mafy nandritra io fipoahan’ ny varatra io, ny nanatri-maso. Niantso ny manam-pahefana eo anivon’ny kaominina rahateo izy ireo. Nentina teny anivon’ny toeram-pitsaboana ilay renim-pianakaviana sy rangahy tsy nahatsiaro tena. Tsy nahina ny ain’izy ireo. Avotra soa aman-tsara ireto farany taorian’ny hatairana diso tafahoatra nahazo azy ireo. Natolotra ny fianakaviany ny vatana mangatsiakan’ilay ankizilahy maty. Fotoana hitrangan’ny voina tampoka tahak’ity niseho tao amin’nydistrikan’Andramasina ity ny vanim-potoan’ny orana tahaka izao.
Tsiferana R.




