Notohizana teny amin’ny Kianjan’Ambohidratrimo, nanomboka omaly, ny lalao divizionina faharoa nasionaly, taranja baolina kitra. Araka ny fanadihadiana natao, nisy savorovoro indray teo am-panombohana ny lalao, saingy nezahin’ny eo anivon’ny Federasionina nalamina izany. Marihina fa raha tsy misy ny fiovana farany, hatao eo amin’io kianja io ihany koa ny tohin’ny « Poule des AS ».
Nahoraka tanteraka tao Londres ny fandresen’ ny Chelsea FC, ekipa anglisy, ny FC Barcelone, espaniola, afakomaly. Lavon’ny Chelsea tamin’ny isa mavesatra 3 no ho 0 mantsy ny Barça. Marihina fa zara raha nahita fanafihana ny ekipa espaniola tamin’ity fifanandrinana ity. Tafiditra anatin’ireo klioba tsy mbola miatrika ny lalao sakana vonjimaika amin’ny “Ligue des Champions” ny Chelsea taorian’io vokatra tsara azony io.
Notanterahina nanomboka ny 22 novambra lasa teo hatramin’ny 29 novambra izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy Vétérans. Fifaninanana tontosaina any Fianarantsoa. Talohan’izay, nisy ny fiofanana ho an’ny mpanazatra natao nandritra ny andro vitsivitsy ho fampitomboana ny fahaiza-manaon’izy ireo.




