Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tetsy Antanimena, omaly maraina. Nifandona ny fiarakely iray sy moto. Nidona mafy teo amin’ny lohan’ilay fiara ity farany. Vokany, naratra ilay nitondra kodiaran-droa. Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Tsy fantatra mazava, hatreto, ny antony nahatonga ny loza.
Trano iray nirodana tamin’ny ampahany tetsy Atsimontsena, fokontany Atsinanantsena, kaominina Sabotsy Namehana, omaly maraina. Noho ny rotsakorana nisesisesy no nahatonga izany. Tonga teny an-toerana ny avy amin’ny Vondrona mpamonjy voina. Marihina fa tsy nisy ny naratra sy ny namoy ny ainy tamin’io tranga io.
Renim-pianakaviana iray, mpivarotra piesy sy kojakoja momba ny moto, namoy ny ainy, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy tetsy Ambodimita, ny sabotsy alina lasa teo. Nitondra moto izy tamin’io fotoana io ary nodomin’ny fiara fitateram-bahoaka, zotra 194, avy ao aoriana. Noho ny ratra nahazo azy, tsy tana ny ainy rehefa tonga teny amin’ny hopitaly Manara-penitra. Namela kamboty efatra mianadahy izy. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny Brigade des accidents Tsaralalàna.
Olona telo namoy ny ainy noho ny fihinanana hazandranomasina atao hoe fano, tany Soharano, Fenoarivo Atsinanana. Nahazo io hazandranomasina io ny mpanjono any an-toerana, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nividy izany ny ankamaroan’ny olona. Nisy ny narary andro vitsivitsy taty aoriana ary izao namoy ny ainy izao. Mandray an-tanana nitondra ireo marary any amin’ny Hopitaly Be Fenoarivo Atsinanana ny Talem-paritry ny mponina ao Analanjirofo.




