Miisa 24 ny fanitsiana natao tamin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (PLFI) 2026. Ao anatin’izany ny fanesorana sy/na fampihenana ireo karazana hetra sy haba alaina amin’ny PPN sy ny fitaovana ilaina amin’ny fambolena sy ny angovo. Atao laharam-pahamehana ny sehatra fototra sy ny sosialy. Hotanterahina tsy ho ela ihany koa ny fikaonandoham-pirenena hanarenana ny toekarena hanohizana ny fifanakalozan-kevitra miaraka amina mpisehatra marolafy.
Hikatona manomboka ny 1 desambra 2025 ka hatramin’ny 28 febroary 2026 ny jono makamba manerana ny Nosy. Antsoina, araka izany, ireo mpisehatra rehetra hanao fanambarana ny tahiry ananàny eny anivon’ny biraom-paritry ny Jono sy ny toekarena manga hatramin’ny 29 novambra. Noho izany, sazin’ny lalàna ireo minia mandika ny lalàna, araka ny fampitam-baovao navoakan’ny minisitera. Nomarihiny fa hiverina hisokatra ny 1 marsa ny jono makamba eto Madagasikara.
Mahavelombolo ny tantsaha mpamboly ny rotsakorana amin’izao fotoana. Maitso mavana avokoa ny fambolena sy ny tontolo iainana, mihena manaraka izay koa ny doro tanety izay manimba ny ala sy ny nofon-tany. Miakatra ny tohodrano samihafa entina hamatsiana ny famokarana herinaratra sy angovo. Ity farany izay anisan’ny olana goavana atrehin’ny firenena sy sakana ho an’ny fampandrosoana.




