Natao teny amin’ny Radisson Blue Hôtel, Ambodivona, ny talata teo, ny “Yas Cyber Security Day”. “Hetsika natokana ho fiarovana ny rafitra niomerika sy ny antontan-kevitry ny mpanjifa na orinasa iray”, hoy ny tale jeneralin’ny Yas Madagascar, Benoît Janin, nandritra ny fanokafana. “Tanjona, araka izany, ny hifampizarana ireo fitaovana ahafahan’ny rehetra mivonona sy mampihatra izany raha sanatria tojo fanararaotana”, hoy kosa ny tale momba ny ita, Razafimamonjy Manitra. Notohizany fa misokatra amin’ izao tontolo izao i Madagasikara, amin’alalan’ny internet. Antony tokony hananantsika fitaovana fiantohana ny fiarovana ny antontan-kevitra, indrindra amin’izao firoboroboan’ny faharanitantsaina artifisialy na “Intelligence artificielle” izao. Misy, araka izany, ny paikady enti-manatanteraka ny asa.
Fampiasam-bola
Mitentina 100 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola nomen’ ny Banky eoropeanina ho an’ ny fampandrosoana (BEI) ny Axian Telecom, ny volana avrily teo, hanamafisana ny tambajotra 4G sy 5G eto Madagasikara sy Tanzania. Natokana ho an’ny firenena malagasy ny 40 tapitrisa dolara amin’izany.
Ankoatra izay, manohana ny fanavaozana sy fotodrafitrasa ny BEI ka natao ho an’ny “cybersécurité” ny ampahany betsaka amin’izany.
Ankilany, nilaza ny mpandraharaha, i Zamir Asakaly, fa: “efa mihamafy ny cybermenace amin’izao fotoana. Anisan’ny lasibatr’izany ny orinasa Jaguar Land Rover sy Marks & Spencer. Tsy afa-bela amin’ izay koa ny orinasa madinika sy salantsalany (PME), indrindra amin’ny firoboroboan’ ny faharanitantsaina artifisialy.
Henintsoa




