Zaza latsaky ny 5 taona : Hosorohana ny tsy fahampian-dra

Nanomboka omaly ny tetikasa fandrefesana ny  Anemia  na ny tsy fahampian-dra sy vy eo amin’ny zaza. Miara-miasa amin’izany ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Blé­dina, Somaped ary ny Opham. Hofanina sy homena traikefa miaraka amin’ny fitaovana ara-teknolojia, fitiliana ireo mpia­san’ny fahasalamana amin’ny fandraisana an-tanana ireo zaza sy ho fisorohana ny tsy fahampian-dra sy ny vy. Namba­ran’ny Pr Annick Robinson fa maro ireo zaza tsy ampy vy sy ra. 42% – 66% izy ireo raha ny taona 2024. « Hojerena tsirairay sy raisina an-tanana izy ireo », hoy izy. Anisan’ny mahatonga izany ny sakafo tsy ara-dalàna aorian’ny fahataperan’ny fampinonoan-dreny ny zaza. Miteraka tsy fahampiana samihafa eo amin’ny zaza izany, araka ny nambarany. Anisan’ny maro zaza tsy ampy ra sy vy ny faritra Analamanga ka antony hanom­bohana ny tetikasa eto. Manaraka ny any Itasy sy Vakinan­karatra. Hitohy manerana ny Nosy izany aorian’izay.
Mifanaraka amin’ny laharam-pahamehan’ny fanjakana ny tetikasa amin’ny fampihenana ny taham-pahafatesan’ny zaza eo amin’ny tsy fahampian-dra sy ny vy, araka ny nambaran’ ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamana hatrany.

Synèse R.

Partager sur: