Niara-namoy ny ainy ny olona miisa roa nilatsaham-potaka tao amin’ny tanànan’i Tsimitono, kaominina ambanivohitra Ambositra II, afakomaly. Tokantrano miisa roa niaraka lasibatra tamin’io loza io. Olona miisa dimy naratra ka voa mafy ny roa. Tsy tana ny ain’ny lehilahy sy vehivavy iray. Nifamonjena ary nentina teny anivon’ny hopitaly CHRR Ralalaonirina, ireo olona telo hafa. Tsy nahina ny fahasalaman’izy ireo. Tsiahivina, olona miisa telo no namoy ny ainy nilatsaham-potaka tao anatin’ny roa andro. Nandritra ny ora-nikija tao amin’ny distrikan’Andramasina, olona telo mianaka lasibatra. Lavo nandritra io loza io ilay ankizilahy vao 13 taona. Nivoa-dra tanteraka ny sofiny. Fotoana hitrangan’ny loza tampoka tahaka ny nahavoa ireo olona namoy ny ainy ireo ny vanim-potoana fahavaratra. Ankoatra io, matetika hitrangana fihotsahan’ny tany sy fiakaran’ny rano koa ny vanim-potoana toy izao ka mila mailo ny tsirairay.
Tsiferana R.




