Lehilahy miisa telo notanana vonjimaika any am-ponja, ny 25 novambra teo, taorian’ny fampanoavana, noho ny fikasana hamaky banky tao Analavory. Nikononkonona hanao famakiana ny toeram-piasany ny mpiasa iray tao anatin’io banky io, ny 17 novambra lasa teo. Olona roa hafa niray tsikombakomba taminy nadritra izany. Naharaka ny teti-dratsin’ilay mpiasa anefa ny tomponandraikitry ny orinasa. Tsy fandrobana fotsiny ihany fa nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana mihitsy ireo olon-dratsy, araka ny loharanom-baovao voarain’ ny talen’ny banky. Niroso avy hatrany tamin’ny fametrahana fitarainana teny anivon’ny polisim-pirenena izy. Nanaovana fikarohana ilay lehilahy nahina hahavanon-doza. Voasambotra tao amin’ny fokontany Ampasamantongotra io mpiasa anatin’ny banky io, ny 23 novambra teo. Notanana ary natao fanadihadiana lalina momba ny teti-dratsiny izy. Tsy nanda ny fikasany hanao izany fanafihana izany rahateo ity farany. Nitoroka ny roa lahy namany niaraka taminy hanatontosa ilay fanafihana mitam-piadiana nokasain’izy ireo hatao ity mpiasa tao amin’ ny banky ity. Natolotra ny fampanoavana izy telo lahy. Nohazonina vonjimaika any am-ponja izy ireo miandry ny fotoam-pitsarana azy. Marihina, matetika voasaringotra amin’ny tranga fanafihana banky tahak’itony ny mpiambina. Anisan’izany ny fanafihana mitam-piadiana ny banky iray teny Antsakaviro, volana vitsy lasa izay.
Tsiferana R.




