Nitrangana haintrano tetsy Ankazomanga Atsimo, afakomaly atoandro. Levona sy kilan’ny afo tanteraka, nandritra izany, ny trano sy ny fananana rehetra tao amin’ireo tokantrano lasibatra. Tsy fantatra mazava ny antony nahataonga ny afo. Manoloana ny voina mahazo ny fianakaviana lasibatra, manao antso avo amin’
ny malala-tanana izy ireo.
Tovolahy roa samy 15 taona, mpiandry omby, maty natelin’ny rano tao amin’ny fokontany Vohitsivalana, kaominina Ambohijanahary, distrikan’Amparafaravola, afakomaly tamin’ny 7 ora sy sasany maraina. Nifamonjen’ny fokonolona saingy efa vatana mangatsiaka no azo. Nidina tao anaty rano ny omby nandrasan’izy ireo, ary nanaraka avy any aoriana izy roa lahy. Nilentika anefa izy ireo rehefa teny amin’ny lalina. Tonga teny an-toerana ny Zandary avy ao Ambohijanahary, niaraka tamin’ny mpitsabo.
Karana mpandraharaha iray tany amin’ny fokontany Avaradrova, Ambatondrazaka, naratra mafy notafihin’ny jiolahy misaron-tava, afakomaly alina, tokony tamin ny 12 ora sy sasany. Nopoirin’ireo jiolahy ny varavarana, nodarohany ilay karana tompon-trano. Lasan’ izy ireo, nandritra izany, ny vola mitentina 10 000 000 Ar miampy finday maromaro. Tafaporitsaka ireo jiolahy, efa nahazo fitsaboana ny lasibatra. Tonga tany an-toerana ny polisy.




