Mitohy ao Bellville Velodrome, Cape Town Afrika Atsimo, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja Billard. Fifaninanana karakarain’ny International Blackball Federation. Anisan’ ireo ao anatin’ny firenena 23 mifaninanana amin’izany i Madagasikara. Tsara aloha ny vokatra ho an’ny isan-tarika, vehivavy, izay efa nahavita “round 4” ka nahazo fandresena roa nanoloana an’i Irlande Avaratra, tamin’ny isa 15 no ho 10, teo amin’ny “round 1” sy nanoloana an’i Afrika Atsimo Police service, tamin’ny isa 20 no ho 5 teo amin’ny “round 3”. Resin’i Afrika Atsimo kosa teo amin’ ny “round 2” ary niondrika teo anatrehan’i Scotland, nandritra ny “round 4”. Ratsy kosa ny vokatra teo amin’ny isan-tarika, sokajy U23. Resy hatrany tamin’ny fiatrehana ny “round 5”. Anisan’izany raha nidona tamin’i Afrika Atsimo A sy teo anatrehan’i Wales ary ny lalao nikatrohana tamin’i Afrika Atsimo B, 19 no ho 6. Tsy mbola tafavoaka ihany koa teo amin’ ny “Round 4 sy 5” raha nifanehitra tamin’i Afrika Atsimo C sy i Scotland. Teo amin’ny “senior” indray, resin’i Maurice 16 no ho 9 teo amin’ny “round 1” avy eo nandavo an’i Afrika Atsimo Police Service, 14 no ho 11, nandritra ny “round 2”. Resin’i Australie indray teo amin’ny “round 3”.
Torcelin





