Afaka iray volana eo, izany hoe, ny 28 desambra ho avy izao, ao amin’ny kianja Barikadimy Toamasina, hisy ny lalao baolina kitra goavana, “Grand Match de Defi”, izay hihaonan’ny Disciples FC Vakinankaratra amin’ireo mpilalao milaravinahitra any ivelany, hohatevenin’ireo Barea Chan. Fantatra ny omaly teo, fa ho avy hanatevina ny ekipan’ireo mpilalao milaravinahitra any ivelany i Ando Manoelantsoa na i Ando Pro, malagasy mpilalao atsy La Reunion.
Hiampy indray, araka izany, ny mpilaravinahitra hifandona amin’ny ekipan-dry zareo Vakinankaratra, izay misy an’i Tendry, Donga, Bono, Ryan, Claude ary i Andy.
Tsiahivina fa efa nilaza ny ho avy ireo kalaza amin’ny baolina kitra malagasy avy atsy amin’ny nosy rahavavy, toan-dry: Tsiry Kely, Rojo Be, Berajo, Théodin, Jimmy Simouri, Nicolas Thamon, Nina, Fabrice, Tojo Nirina, Bourahim, ary i Jean Yves.
Miampy an-dry Amda Joanitto, Thino, Ziad, mpilaravinahitra atsy France, sy ry Maxence sy Mickael, avy atsy Suisse. Manampy azy ireo moa i Toldo, mpiandry tsatobin’ ny Barea farany teo. Raha ny vaovao nampitan-dRabezanahary Patricio, mpikarakara ny hetsika, hisy ny asa-sosialy hataon’ireo mpilaravinahitra ireo any an-toerana, mialohan’ny lalao. Marihina fa ny ray mpiahy an’ity hetsika ity, dia ny Ben’ny Tananan’ny faritr’i Toamasina, Andriafanomezantsoa Alain.
Fitia Randria




