DAKA AN-JORONY: Aza mitampi-maso amin’ny marina

Mandeha…tsy mandeha. Nalaza io teny io tamin’ny herinandro lasa. Niharan’izany, ny atleta ao amin’ny taranja karate sy atle­tisma. Mifandrirotra eo ny mpitantana sy ny atleta ary ireo mpika­rakara. Ilay taranja fototra aloha no tena nahoraka. Niditra an-tsehatra avokoa ny rehetra. Tsy vitan-dresaka hifamaliana mahatsara fihavanana ilay izy fa mifanenjana ka tsy sarotra hita ny marina.
Ao nefa ireo mahafantatra ny tena zava-misy saingy minia manafina izany. Koa aza mitampi-maso amin’ny marina. Tandremo fa izay minia mivarotra ny marina, mividy loza ho an’ny tenany. Tsy afenina fa misy manao tsikombakomba amin’ny ratsy ka toa manao parasy mitovy volo, goaika mitovy soratra, volon-gita mifandray tendro ary mpanao kotrika isasahana. Ka mitampi-maso amin’ny marina.
Etsy ankilany, misy ny marina mitavozavoza ka haelin’ny reny akoho tokan’anaka. Miteny malemy toa tsy ahoan’ny olona. Miteny mahery, mangidy hoditra sy fosain’ny vahoaka. Tahaka ny milo­­loha vomanga masaka izy ireo. Entina miadana, tsy mahatratra tsena. Enti-mihazakazaka, potika. Koa aza mitampi-maso amin’ny marina.
Ny tena nahamenatra, nahita ireo atleta sy mpanohana manenjika sy manasoketa mivantana ny mpitantana ny federasionina, nefa tsy manana porofo akory. Nipoitra anefa ny marina
ka nilazan’ireo vahiny mpikarakara fa izy ireo no diso fa tsy misy hidiran’ny malagasy velively. Mila avadibadika im-pito ny lela vao miteny fa ny mamerina azy no sarotra. Izao fahafaham-baraka hitam-poko, hitam-pirenena ny vava tsy hambina. Tandremo fa izay halam-bahoaka, very fanjakana ary ny hery tsy mahaelo ny fanahy koa aza mitampi-maso amin’ny marina.

Tompondaka

Partager sur: