Judo- Grand Slam d’Abu Dhabi : Laharana faha-7, Rasoanaivo Laura

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, ny fifaninanana “Grand Slam d’Abu Dhabi”, taranja Judo. Laharana faha-7 ny solontena malagasy, Rasoanaivo Razafy Aina Laura, izay nifaninana teo amin’ny sokajy latsaky ny 70 kg. Nahazo fandresena i Laura tamin’ny ady voalohany natrehany, nano­loana ilay teratany Libianina , i Chayeb Aqulina ary niatrika ny ampahefa-dalana nanoloana ilay teratany Aostraliana, i Aofe Coughlan, izay lohalaharana tao amin’ny sokajy nisy azy. Niatrika ny “repêchage” izy taorian’izay ary resin’ilay teratany Néerlandaise, i Margit de Voogd, tamin’ny waza-ri. Araka izany, teo amin’ny laharana faha-7 no nisy an’i Laura, nandritra ity “Grand Slam d’Abu Dhabi” ity. Tsiahivina fa efa ela no nanomana ity fifaninanana goavana ity, Rasoanaivo Razafy Aina Laura ary tsy mbola mijanona izany fanomanan-tena izany, raha ny nambarany. Ny lalao olympika 2026 no tan­jona ho an’i Laura. Ho fanohizana ny fifaninanana, ny “Grand Slam de Tokyo” indray no miandry an-dRasoanaivo Razafy Aina Laura, ho famaranana ity taona 2025 ity. Ny 6 desambra izao no hanatanterahana ity fifaninanana anisan’ny goavana indrindra ity.

Mi.Raz

Partager sur: