Nisy ny hetsika hanampiana ny tanora malagasy vonona sy liana handeha ho any Alemaina, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Cercle germano-malagasy (CGM). Nampahafantarina tao ny zavatra miandry azy sy ny hiainany rehefa tonga any, izay tsy voalaza mialoha matetika. Mety ho sedra, olana na zavatra hafa koa, araka ny fanazavan’ny mpampianatra iray avy ao amin’ny Africa Dual, ao Fianarantsoa, Andrianantenaina Jessica Holitiana. Olana mety hitranga koa ny « dépression » satria tsy mitovy ny kolontsaina eo amin’ny firenena roa tonta (Madagasikara sy Alemaina). Misy vondrona ao amin’ny tambajotra sosialy hifampizaran’ny tanora ny olana vao miainga aty Madagasikara ka hatrany an-toerana. Io kolontsaina tsy mitovy io no tena fototry ny olana izay tsy resahina matetika fa mila mikaroka ny tanora. Ohatra fotsiny ny fomba fiteny, mitratrevatreva ny alemà rehefa miteny na miresaka.
Tanora hanao «au pair » no tena betsaka mandeha any, 7 000 isan-taona ny tanora malagasy voamarina fa tonga any Alemaina, araka ny fampitam-baovao, 18 taona -26 taona no afaka manao « au pair ». Tsy tafiditra intsony ny manana taona mihoatra izay fa « service volontaire » no ataony.
Vonjy




