Zazalahy vao 4 taona monja i Mathieu no izao tratran’ny aretina homamiadan’ny ra, “stade 4” (Lymphome de Burkitt), izao, raha ny fanazavan’ny ray aman-dreniny. Ny volana jona 2025 no fantatra fa misy ity aretina ity izy ary efa nisy ny fandidiana natao, teo amin’ny kibony, azy. Miaina anaty fangirifiriana lalina i Mathieu ary lalana sarotra sy feno fijaliana no diaviny ankehitriny. Etsy ankilany, lafo dia lafo ny saran’ny fitsaboana, ary raha ny nambaran’ny mpitsabo aza, tokony halefa hotsaboina any ivelany ity zazakely vao 4 taona monja ity. Ny hahazoana fitsaboana tsara sy hananana vintana hahavelona azy ary ny tsy hiverenan’ny aretina intsony no antony tokony hitsaboana azy any ivelany, raha ny fanazavan’ny mpitsabo. Izany indrindra no hanaovan’ireo ray aman-dreniny sy ny fianakaviany antso tolo-tanana ho fanampiana an’i Mathieu. Efa manodidina ny 18 tapitrisa Ariary ny lany hatreto ary tena efa tsy ampy intsony ny eo am-pelatanana. “Mijoro amin’ ny herim-po sy fanantenana i Mathieu na dia hita ho mijaly aza”, hoy ny reniny mitantara ny mahazo an-janany.
Ny laharana 0340684528 (Andoniaina) sy ny 03765828 34 (Nirintsoa Yolande) no hahafahana mandefa ny fanampiana ho an’i Mathieu. Afaka manantona azy ireo ihany koa izay maniry hiresaka sy hijery mivantana ary hanolotra izay fanampiana izay. Tsy nanadino nisaotra ny mpitsabo izay nanao ny ezaka rehetra miaro ny ain’i Mathieu sy nitondra fahazavana tamin’ny fotoan-tsarotra, ireo ray aman-dreniny. Teo ihany koa ireo izay efa nanohana sy ny mbola hanohana.
Mi.Raz




